Nitohy tany Alaotra Mangoro ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ny nihaona taminy ny vahoakan’i Tanambe sy Amparafaravola ary Ambatondrazaka. Nitodika amin’ireo tantsaha any an-toerana ny tenany.
“Maro ireo mpitondra nifandimby fa ny nanao velirano ihany no nahavita… Vitantsika izao ny lalana RN44. Voalohany isika amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa”, hoy izy. Nampanantena ny hanamboarana ny lalana ho tara sy hametrahana jiro ao Tanambe ny kandidà laharana fahatelo. Tahaka izany koa ny lalana mampifandray amin’ ireo distrika hafa any. Hampitomboina koa ny fotodrafitrasa, toy ny EPP, CEG, ny hopitaly any an-toerana ka tsy hitoka-monina intsony. Antony nirotsahany izany fampandrosoana sy ny fitiavana izany fa tsy noho ny toerana sy ny voninahitra, araka ny nambarany.
Nitodika amin’ireo tantsaha ny tenany ary nametraka ny fanamby iarahana manatanteraka ka hampiakarana ny fari-piainan’ny eny ambanivohitra. “Hampitomboina ny voka-bary ka hamboarina ny tohodrano. Eo koa ny masomboly sy ny zezika ary ny fitaovana”, hoy izy. Ho avy ny famatsiam-bola ho amin’ny famokarana any Alaotra Mangoro sy ny any Sofia.
Hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka
Hanampy ireo sokajin’ olona rehetra eo amin’ny vola sy fitaovana ny kandidà Rajoelina, araka ny nambarany. Homena ny fiofanana sy milina fitotoam-bary na fitaovana hafa ny fikambanam-behivavy, araka ny nambarany. “Hijery bebe kokoa ny sosialim-bahoaka isika amin’ ny 5 taona manaraka”, hoy izy.
Fanamby napetraky ny kandidà laharana fahatelo, ho an’ny vahoakan’Alaotra Mangoro, rehefa eo amin’ny fitondrana izy, ny fanomezana jiro avy amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny tokatrano tsirairay, ny fampitomboana ny tohadrano manondraka tanimbary, fananganana “Parc Solaire” ao Amparafaravola, fananganana ozinina ho fanampiana ny tanora tsy an’ asa ao Ambatondrazaka, fanamboaran-dalana sy fametrahana jiro ao an-tampon-tanànan’ny Tanambe ary ny fanatanterahana ny tetikasa “Riz Plus” ho an’ny faritra Alaotra Mangoro.
Synèse R.