Kitra malagasy: nodimandry i Gôlibe na i Dominique

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Nodimandry teo amin’ny faha-53 taonany Rakotonandrasana Dominique, Malagasy mpiandry harato. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ny tenany nanomboka ny taona 1989-2015. Efa niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny Barea Beach Soccer izy, ny taona 2010-2015.
Tao amin’ny klioban’ny BTM Taolagnaro izy no nanomboka nilalao, tamin’ny sehatra matihanina. Ny ekipan’ny SOE no namaranany ny maha matihanina, amin’ity taranja ity. Marihina fa efa nanampy ny ekipan’ny Domoina Soavina Atsimondrano (DSA), nandritra ny fifaninanana Afrikanina. Mpiasan’ny fadintseranana Ivato i Dominique. Tsiahivina fa anisan’ny nilalao niaraka taminy ry Rakotondrabe Romuald Felix, malagasy mpanazatra ny Barea sy Rajaonarisamba Frank, malagasy teknisianina ao amin’ny Fosa Junior FC. Izahay ato amin’ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Dominique.

Fitia Randria

Partager sur: