Jiu-Jitsu-“Open d’Afrique” : Malagasy mpikatroka 19 ho any Maorisy

Taorian’ny “World Jiu-Jitsu Championship” izay nifarana omaly, ny “Open d’Afrique”, hatao any Maorisy, indray no miandry ny Malagasy solontena, ny 18 novambra ho avy izao. Malagasy mpikatroka 19 mianadahy no fantatra fa hiatrika ity fifaninanana ity, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Brésilien, izay nanamafy fa tena ilaina ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena maro, ahafahana mampiakatra ny traikefa. Araka ny hita ao anaty lisitra, efa niatrika ny “World Jiu-Jitsu Championship” farany teo ny 8 mianadahy amin’izy 19 mianadahy ireo, ahitana an’i Linjo, i Andy, i Diary, i Zo Aina, i No­fy, i Adriano, i Tafita ary i Chris­tian. Hanampy azy ireo kosa izy 11 mianadahy, ahitana an’i Rado, i Jeddy, i Bryan,i Diary, i Rajo,i Rina, i Aiky, i Mirindra, i Chrystelle, i Arindra ary i Tatamo. Resy avokoa ireo 5, sokajy “Professionnels” Raha hiverenana ny vokatra avy amin’ireo 5 mirahalahy niatrika ny “World Jiu-Jitsu Championship”, omaly, tany Abu Dhabi, resy avokoa izy 5 mirahalahy. Samy nihintsana teo amin’ny fihodinana voalohany avokoa izy 3 mirahalahy, nahitana an’i Andy, i Diary ary i Fitiavana. “Disqualifié” kosa i Tsinjo ary niatrika “repêchage” i Tojo saingy resy, teo amin’ny manasa-dalana. Nam­­­baran’ny teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny JJB fa tena ambony be ny lentan’ny fifaninanana sokajy “Pro”. Mafy ny Malagasy mpikatroka saingy mbola mafy lavitra noho izy ireo ny mpifanandrina.

Mi.Raz

Partager sur: