Lehilahy iray no voasambotra, afakomaly, tamin’ilay fanapoahana grenady tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Nahitana basy roa ihany koa tao an-tranony ka ny iray kilalao.
Voasambotra, afakomaly, teny Analamahitsy, boriborintany fahadimy ny tovolahy iray. Ahina ho tompon’antoka voalohany tamin’ny fanapoahana grenady teo amin’ny kianja filalaovana basiketin’ny Toby Ratsimandrava, ny alin’ny 7 novambra 2023. Araka ny angom-baovao natao, manana fianakaviana monina ao an-toby izy. Efa nipetraka tao amin’io manambonahitra io taloha. Nisy ny fisavana ny tranony, tra-tehaka tao ny basim-borona iray sy bala miisa 11 ka efa nipoaka ny iray tamin’ireo. « Nananan’ny tompony taratasy izy io taloha saingy tsy vita ny fanavaozana izany ho an’ny taona 2023», hoy ny loharanom-baovaonay. « Nisy basy poleta iray ihany tao aminy. Rehefa natao anefa ny fanamarinana dia hita fa kilalao izany. Manambaka ireny basy tena izy ireny mihitsy », hoy hatrany ny mpampita vaovao.
Teny amoron-dalana
Voatazona eny amin’ny tobin’ny zandarimaria hanaovana famotorana ilay tovolahy amin’izao fotoana izao. Fantatra nandritra ny famotorana savaranonando azy, fa basy novidiany teny amoron-dalana ilay basy kilalao. Teny akaikin’ny hopitaly HJRA, eny Anosy, no nahazoany azy, vao andro vitsy talohan’ny nisamborana azy. « Tsy nahitana balany ilay fitaovana fa mety efa nampiasana izany », hoy hatrany ny loharanom-baovaon’ny gazety.
Araka ny fantatra, anisan’ny mpitolona manaraka ny hetsika fotsin’ny kandidà sivy mirahalahy ilay nosamborina. Mpiara-dia akaiky amin’ny solombavambahoaka iray eto an-drenivohitra ihany izy.
Raha tsiahivina, nisy fiara roa potika, nandritra ny fipoahan’ny grenady teny amin’ny Toby Ratsimandrava ny alin’ny 7 novambra 2023, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina.
r.r




