Karieran’Ikalamavony : olona telo maty tototry ny tany

Olona telo indray tototry ny tany tao Antsahan’i Kamavo ao Mandarano, fokontany Ma­nanatanana, kaominina sy distrikan’Ikalamavony, afakomaly. Kariera efa tsy misy mi­asa intsony no niasan’ireto olona niharam-boina ireto, araka ny tatitra nampitain’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ikalamavony. Fito lahy izy ireo no niasa nitrandraka vato an­tsoina hoe «ziricon» sy « spocumen » teo amin’ity toeram-pitrandrahana vato sarobidy ity, ny 8 novambra 2023. To­kony ho tamin’ny 2 ora tolakandro anefa, nihotsaka tampoka ny tany teo amin’ity toerana nitrandrahan’izy ireo ity. Vokany, olona efatra indray tototry ny tany. Avotra soa aman-tsara anefa ny iray raha namoy ny ainy notsindrin’ny tany kosa ny telo lahy. Nana­hirana ny fisokirana ireo telo lahy nihotsahan’ny tany satria naharitra adiny efatra ny fikarohana azy ireo tao anaty ranontany. Hita ihany anefa izy ireo saingy efa tsy nisy aina intsony. Nifanome tanana tamin’ny fikarohana ny fokonolona sy ny zandary tao an-toerana. Raha ny fanadihadiana nataon’ny zandary, noho ny tany malemy vokatry ny ora-mikija no nampihotsaka ny tany teo amin’ity toeram-pitrandrahana ity. Nentina niakatra ao Ikalamavony ny razana ka efa natolotra ny fianakaviany, taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.

J.C

Partager sur: