Kandidà Andry Rajoelina : «Tsy mila korontana isika fa fifidianana ihany»

Nitohy tany amin’ny faritra Analanjirofo ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ izany ny any Soanierana Ivongo sy Vavatenina ka namaliany ny fitakian’ny sasany. “Maro ireo mpanenjika ary milaza fa hanao Tetezamita sy hiresaka… Isika tsy mila korontana intsony. Ndao hifidy avokoa isika amin’ny 16 novambra ary ho lany amin’ny fihodinana voalohany avy hatrany”, hoy izy.
Nanteriny fa efa betsaka ny vita nefa koa misy ny lesoka ka tsy maintsy harenina izany. Natsidiny fa hatao tara ny lalana Soanierana Ivongo hatrany Mananara Avaratra. Hovitaina koa ny EPP any an-toerana ary hamboarina hanara-penitra ny kianja. Nanteriny fa ilaina ny filoha tia tanindrazana sy mampandroso ny firenena. Nampanantena ny tenany fa hojerena manokana koa ny fikambanam-behivavy, ny tanora tsy an’asa… Eo koa ny hisitrahan’ny isan-tokantrano ny jiro. “Nitady vahaolana ho an’ny 80% amin’ny mponina isika, indrindra ho an’ireo tsy mampiasa ny herinaratry ny Jirama ary hiala amin’ny labozia sy ny solitany”, hoy izy.
Nambarany tao Vavate­nina kosa fa hamboarina ny kianja ao an-toerana. “Men­drika fotodrafitrasa manara-penitra isika aty”, hoy izy. Nohamafisiny tamin’izany ny efa nambarany tany amin’ny distrika hafa amin’ny hanakaikezana kokoa ny vahoaka, amin’ny dimy taona manaraka. Nampanantena ny hanampiana bebe kokoa ny Vatsin’ ankohonana ny kandidà laharana fahatelo.

Synèse R.

Partager sur: