Nanome lanja ny tononkira ny Malagasy. «Fahiny izany», hoy ny tanora ankehitriny. Raha io lafiny iray io (tononkira) no tomorina akaiky, maro amin’ireo hira fahiny no hifanipaka amin’ny heno amin’izao vanim-potoana izao. Fifandonana azo adika ho tsy fitoviam-pijery eo amin’ny zoky sy ny zandry, raiamandreny sy zanaka, sns. Feo voajanahary, tsy namboamboarina, tsara taiza tamin’ny aviavy, sns. Izay ilay nentina nanononana ny tononkira mavesa-danja. Vao mainka nisy fiantraikany tany amin’ireo naheno azy. Nitondra hafatra ho an’ireo mila izany. Tahaka ny vahaolana ho an’izay manana olana. Ankehitriny, efa maro ny fitaovana azo hikirakirana feo. Raha sanatria ka tsy dia tsara, amboamboarina… Dia mety ! tsy mifanalavitra
amin’io tranga io ny zavamaneno. Fahiny, valiha, korintsana, ambio, tsikadraha, sns. Tsy ampy ny ankehitriny intsony ireo. Na, ampy ihany fa «mila manaraka toetrandro», hoy ny sasany.
Tonony, feony, zavamaneno manaraka azy. Samy niala tamin’ny fototra. Nanjary manana «endrika» hafa indray ny hira malagasy. Ny hany maha malagasy azy, ilay mpihira na mpamorona na ireo mpitendry zavamaneno eny an-tsehatra.
… Aorian’io fiovan’endrika io, mampanahy ny hoavin’ny hira malagasy. Na, ho lasa safiotra na ho zary tantara mivalona sisa. Raha misy ny tsiahy, izay vao heno !
HaRy Razafindrakoto




