Nisy ny fanambarana nataon’ny solombavambahoaka maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena, omaly, mahakasika ny fanambarana nataon-dRazanamahasoa Christine, filohan’ny Antenimierampirenena. Ankoatra izay, noresahina tanatin’izany fanambarana izany ihany koa ny tsy faneken’izy ireo ny fanatsaharana ny zotram-pifidianana.
Nomelohin’ireto solombavambahoaka ireto Razanamahasoa Christine, filohan’ity Andrimpanjakana ity. Antony nanamelohan’izy ireo azy ny fitondrany ny anarana maha filohan’ny Antenimiera azy nefa manao ny andraikitra fanelanelanana. Eo ihany koa ny fampiasana ny fitaovana sy ny maha izy ny Antenimierampirenena amin’ny fanaovana izany hetsika izany.
Ankoatra izay, nilaza ireto solombavambahoaka maro anisa ireto fa tsy misy krizy eto amin’ny firenena, fa fanakorontanana iniana volena, hitadiavana fifandonana no misy. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa ny fifidianana irery ihany no lalan-tokana, araka ny lalàmpanorenana sy ahafahana miantoka ny filaminana ka niantson’izy ireo ny olom-pirenena hanatanteraka sy handray anjara amin’izany.
Lin




