« Forum national des entrepreneurs »: hanome tohana sy tantsoroka ho an’ny mpandraharaha

Hifampizara paikady sy traikefa ary ireo zava-niainany ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana ireo zokiny mpandraharaha mandritra ny « Forum national des entrepreneurs » amin’ny herinandro.

Fotoan-dehibe hampivondronana ireo mpandraharaha samihafa ny « Fo­rum national des entrepreneurs », andiany faha-5, atao ny 17 sy 18 novambra izao. Lohahevitra noraisina ta­min’ity ny fanomezana traikefa sy paikady ho an’ireo mpandraharaha hiatrehana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Hi­vondrona amin’ny toerana iray ireo mpisehatra ara-toekarena ka hi­fampizara ny tohana sy ny tantsoroka hoentina mampiroborobo ny seha-pihariany. « Tanjo­na ny hifampizara ireo paikady sy teknika ary zavatra niainana tao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana ho an’ireo zandry », hoy ny filoha lefitry ny Club Madagascar entreprises developpement (MED), Andrian­jatovo Irinah, tetsy Tsaralalana, omaly. Maro ireo orinasa vao misandratra maty ao anatin’ny roa taona nijoroana. 20% ihany koa no manohy ny fihariana aorian’izay. Be­tsaka ny tanora roboka amin’ny tontolon’ny fandraharahana kanefa tsy ampy traikefa sy fahaiza-manao ka tsy ahafahany mampiroborobo ny orinasa natsangany, antony na­naova­na ny hetsika. Azo raisaina ho fanararaotra ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny vidin’entana. Tokony hiakatra ny vola miditra. Tombony ho an’ny mpamongady sy mpanodina, mpanondrana ary mpanafatra entana izany.

Lasibatra
Tafakatra 10,5% ny taha-piakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara, ny taona 2023, raha toa ka 6,9% izany ny taona 2022, araka ny ta­titry ny Banky iraisam-pire­nena. Manampy trotraka ny fitotonganan’ny Ariary, ny Covid-19 sy ny ady eo amin’i Rosia sy i Ukraine. Noho izany, lasibatra ny fahafaha-mividin’ny mpanjifa sy ny fandraharahana.

Henintsoa Hani

Partager sur: