Taorian’ny fankatoavana avy amin’ny Federasiona malagasin’ny tenisy. Hanomboka ny 27 novambra ho avy izao, eto an-drenivohitra, ny fifaninanam-pirenena “Mada 2023”.
Hotanterahina ao amin’ny Club olympique de Tananarive (COT), Ankadikely Ilafy, ny 27 novambra – 3 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Raha ny vaovao voaray teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT), omaly. Handray anjara avokoa ny sokajy rehetra, 1ère – 4 ème série, lahy sy vavy, amin’io fotoana io. Ahitana ny sokajy zokiny vétérans ihany koa mandritra izany.
Miisa fito ny ligy mandray anjara amin’ity fifaninanana ity, ny ligin’Analamanga, mpampiatrano, Atsimo Andrefana, Amoron’i Mania, Atsinanana, Boeny, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra. Anisan’ireo hanohana ity fifaninanam-pirenena ity ny Telma Madagascar. Tsiahivina fa tamin’ny taom-pilalaovana 2022, nanjakan’ny ligin’Analamanga tanteraka ny fifaninanana “Mada 2022”, izay natao tany Antsirabe. “Manome lanja ny fifaninanana nasionaly eto an-toerana ny FMT ary hojerena manokana ireo mpilalao tompondaka”, hoy ny filohan’ny FMT, Rakotomaniraka Naina Zandina.
Marihina fa handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy izay tompondaka amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity. Anisan’ireo mpilalao efa nandrafitra ny ekipa nasionaly Akomba de Madagascar, tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, Rakotomalala Romeo, tompondakan’i Madagasikara “1ère série” lehilahy sy Raharivony Nicolas, tompon’amboara lefitra tamin’ny “1ère S”..
Fitia Randria




