Sahiran-tsaina ny eo anivon’ny tontolon’ny Taekwondo WT amin’izao fotoana izao. Tsy mbola misy daty raikitra hanatontosana ny fifidianana navoakan’ny Federasiona malagasy. Raha tsiahivina, ny volana hanatontosana izany fotsiny ny hany efa navoakan’ity rafitra miahy ny Taekwondo WT eto Madagasikara ity, ny 2 oktobra lasa teo.
Voalaza tao anatin’izany, fa hotontosaina eo anelanelan’ny volana oktobra sy novambra ny an’ireo seksiona ka tsy maintsy atrehin’ny solontenan’ny talem-paritry ny fanatanjahantena (DRJS) sy ny ligim-paritra. Ny volana novambra sy desambra kosa ny an’ny filohan’ny ligy ka manatrika izany ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny federasiona ary ny volana janoary 2024 ny an’ny filohan’ny federasiona.
Hatramin’izao, tsy mbola mivoaka ny lalàm-pifidianana sy ny anaran’ireo klioba afaka mandatsa-bato. Toy izany koa ny fotoana hifaranan’ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’ireo kandidà eo anivon’ny sekiona.
Nampahafantarin’ny federasiona fa tsy maintsy mahafeno ireo fepetra mifanaraka amin’ny sata sy ny fitsipika anatin’ny federasiona ireo rehetra izay maniry ny hifaninana ho filohan’ireo rafitra rehetra ao anatin’ity haiady ity. Andrasana ihany koa ny fotoana hanatontosana ny fivoriambe tsy ara-potoana hanaovan’ny komity mpitantana tatitra ny asa vitany.
Tompondaka




