Anisan’ny klioba eny anivon’ny fokontany, manabe amin’ny alalan’ny baolina kitra, ireo ankizy tsy mba manana fahefana miditra amin’ireny sekolin’ny kitra ireny ny FC Copain.
Gazety Taratra (*) : Ivontoeram-piofanana ve ny FC Copain sa klioba ?
Rakotondramiara Hasina (-) : Tsy ivontoeram-piofanana fa klioba fitaizana ankizy eny anivon’ny fokontany Alarobia Amboniloha. Tsy sekolin’ny baolina kitra fa ireo kilonga tsy manana fahefana amin’izany no tezaina ao.
*Antony hankalazana ny faha-18 taonan’ny FC Copain.
-Anton’ny fankalazana ny fampahafantarana fa misy ny klioba ary tanjonay ny hampisongadina ny fahaizan’ireo ankizy tsy manana fahefana hiditra amin’ireny sekolin’ny baolina kitra ireny. Ny FC Copain izay efa manana mpilalao any ivelan’i Madagasikara. Hanamarihina ny faha-18 taona, efa nanomboka omaly ny fifaninanana.
* Filohan’ny FC Rouge koa ianao. Taninketsan’io ekipa io ve ny FC Copain?
-Taninketsan’ny FC Rouge tokoa ny FC Copain satria maro ireo mpilalao mandrafitra azy ankehitriny, toa an’i Tojo kely, i Pito ary Ranona. Ny FC Rouge, efa manomana ny taom-pilalaovana ary handray anjara amin’ny «Tournoi Open Grand Tanà», ataon’ny ligin’Analamanga.
*Fijerinao ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra?
-Mahafinaritra fa tafatsangana ny federasiona vaovao. Miavaka izy ity noho ny tsy fisian’ny vehivavy ao anaty komity mpanatanteraka. Tsy tokony hametraka olana be izany fa ny zava-dehibe dia ny asa hatao sy ny vina hampandrosoana ny baolina kitra. Mino aho fa tsy natao anilihina ny kitra, vehivavy, izany.
*Fahitanao ny Barea sy ny mpanazatra mitondra azy.
-Raha ny vokatra azon’ny mpanazatra tamin’ny “Chan 2023”, mendrika ary inoana hitohy. Antenaina fa hahavita lavitra noho izay efa vita satria mifangaro ao ny mpilalao avy eto an-toerana sy ireo mpila ravinahitra. Eo amin’ireo mpilalao indray manana ny fahaiza-manao ireo matoa nantsoina ka ankaherezina.
*Hafatry ny filohan’ny FC Copain
-Miondrika eo anatrehan’ny fahalasanan-dRakotonandrasana Dominique, mpiandry tsatobin’ny ekipam-pirenena teo aloha. Mirary soa ho an’ny Barea amin’ireo lalao hatrehiny.
Dinika nangonin’i Torcelin