Basikety-Game on 3×3 : tompondaka teo amin’ny “Tir” i Olivio

Nizotra araka ny tokony ho izy, tany Toamasina, nanoloana ny Lapan’ny tanàna, ny fifaninanana basikety “Game on 3×3”, nokarakarain’ny Fede­ra­siona malagasin’ny basikety. Ankoatra ny fifaninana, nisy ihany koa ny “Concours Tir” ka i Olivio, mpilalaon’ny Ascut no nandrombaka izany. Raha ny voka-dalao kosa, tompondaka teo amin’ny sokajy Senior, lehilahy, ny ekipan’ny Dalton rehefa nandresy ny Damiandry tamin’ny isa 20 no ho 19. Tao anatin’ny fanalavam-potoana no nahazoany ny fandresena, rehefa sahala 18 no ho 18, teo am-piafaran’ny fe-potoana voafaritra. Ankoatra ny Senior lahy sy vavy, nisy ihany koa ny fifaninanana teo amin’ny sokajy U17, lehilahy, sy ny sokajy Vétérans, lehilahy.

Mi.Raz

Vokatra rehetra

-SENIOR,Lehilahy: Damiandry 19 # 20 Dalton
-U17, Lehilahy: Team Vanillah 07 # 10 NBE
– SENIOR Vehivavy
Favori 09 # 11 Team Malala
– Vétéran
Lehilahy: USSM 12 # 17 AJRT

Partager sur: