ANJORON-KITRA: Maty namela mamy Ra-Domi

Nandao ny tontolon’ny fanatanjahantena Rakotonandra­sana Dominique (Gaoly Be). Niala ny kianja ka lasa niala sasatra any amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy ny baolina kitra ihany ny hany nampalaza azy, fony fahavelony fa teo koa ny volley-ball sy ny basket-ball, nampamiratra sy nampalaza azy, fony izy mbola niakatra kianja. Noho izany indrindra no nahatonga ny olona nilaza azy hoe : Telo izay iray.
Vitsy ny sportif, manana talenta toa azy. Matetika taranja iray ihany ny tena manavanana ny tsirairay fa ny an-dRa-domi kosa telo be izao. Maty namela mamy tokoa ity kintan’ny fanatanjahantena ity. Olona tso-piaina, mitsikitsiky lava ary tsy mba maka lagy fa mahitsy fiteny. Nanao fitsahatry ny tantely tokoa Itompokolahy, ka namela mamy gohan’ny isam-batanolona. Ra-domi, ilay telo izay iray.
Tsy ny fianakaviany ihany no mitomany amin’izao fandaozan-dRa-Domi izao fa ny firenena iray manontolo. Very olo-manga tokoa i Madagasikara. Raha tsiahivina, izy irery ny hany mpiandry tsatoby nahafaty baolina tamin’ny alalan’ny “coup franc”, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara fony izy mbola nilalao tao amin’ny DSA Atsimondrano. Fihaonana nikatrohana tamin’ny Maxaquene Mozambique teo Mahamasina ny taona 1998, ka io baolina matiny teo amin’ny tsipika manasaka ny kianja io, no nitondran’ny DSA fandresena.
Mbola nitoetra sy mitoetra ary mbola hitoetra ao am-po sy ao an-tsain’ny tsirairay tokoa izany ary mamy tsy mety matsa­tso. Maty namela mamy tokoa Ra-Domi. Ankoatra izay, nampamiratra an-dRa-Domi ihany koa ny Beach soccer. Izy no mpiandry tsatobin’ny Barea, niatrika ny Mondial natao tany Portugal, ny taona 2015. Tantara tsara navelan’i Gaoly Be koa izany.

Tompondaka

Partager sur: