LARA Antsirabe: notoloran’ny minisitera fitaovana

Anisan’ireo nahazo fitaovana fanatanjahantena sy toerana fikotranana ny «salle de musculation» an’ny Lycée André Resampa Antsirabe (LARA), avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahatena (MJS), ny tanànan’ Antsirabe, omaly. Tonga nanolotra izany tao amin’ny Lycée André Resampa Antsirabe ny minisitry ny MJS, Haja Andre Resampa.
Tsy natao ho an’ny mpianatr’ity sekoly ity irery ihany izany, fa nosokafana ho an’ny tanora rehetra any an-toerana. Raha ny vaovao azo, nanome fitaovana toy ny baolina kitra sy basikety, volley, rugby, ary tsipy kanetibe. Nahazo fanamiana “maillots” ireo klioba sy fikambanana mba hanatsarana ny fanatanjahantena eny ifotony. Raha ny fanazavana nataon’ny lehiben’ny MJS. Hanao hetsika “Forum lehibe Youth Corner” any Antsirabe, izy ireo, amin’ity volana novambra ity.
Marihina fa karakarain’ny MJS ho an’ny tanora rehetra eto Madagasikara izany. Na­tao ho fampahafantarana ireo fiofanana maimaimpoana mi­sy ho an’ireo tanora ity hetsika ity. Tsara ny mampahafantatra fa tafiditra anatin’ny tetikasan’ ny fitondram-panjakana ny hampivoarana ny fanatanjahantena eto Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: