Efa nivoaka, tsikelikely, omaly alina ny voka-pifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany. Mitarika vonjimaika ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina.
Lavitra ny elanelam-bato amin’ireo telo voalohany amin’ny voka-pifidianana vonjimaika. Mitarika amin’izany ny kandidà Andry Rajoelina raha mifandimby eo amin’ny laharana faharoa sy fahatelo amin’ny fahazoana isam-bato ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc, sy ny kandidà laharana faha-13, Randrianasoloniaiko Siteny. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritra izany fitarihan’ny kandidà laharana fahatelo izany amin’ ireo ampahan’ny voka-pifidianana, voaray teo anivon’ny sampana mpanisa vato sy ny fampitaovana (SRMV), etsy Mahamasina.
Anisan’izany ny etsy amin’ ny fokontany, Birao fandatsaham-bato (BV), Mahitsy. Miisa 211 ireo mpifidy voasoratra anarana ka 63 ireo tonga nifidy. Nahazo ny vato 35 ny kandidà Rajoelina raha 15 ny an’ ny kandidà Ravalomanana ary 3 kosa ny vato azon’ny kandidà, Randrianasoloniaiko.
Miisa 430 ireo mpifidy etsy Nanisana ka 146 ireo nanefa ny adidiny. Nahazo 98 ny kandidà laharana fahatelo, raha 17 ny an’ny fahadimy ary 15 kosa ny an’ny faha-13.
Hatao peta-drindrina
Any Toliary, BV any Betania, miisa 550 ireo mpifidy ka nandatsa-bato ny 175. Nahazo ny 111 ny kandidà Rajoelina, raha 13 ny an’ny fahadimy ary 43 kosa ny an’ny faha-13.
Tsiahivina fa mahazo dika mitovy tanteraka amin’ireo tatitra an-tsoratra (PV) alefa any amin’ny Ceni ireo delegen’ny kandidà sy ireo mpanara-maso fifidianana manatrika
Hatao peta-drindrina, halina, eny amin’ny biraom-pifidianana ny dika mitovy amin’ny PV. Tsy maintsy hatao peta-drindrina eny amin’ny fokontany koa izany, anio, ary anaovana fivoriambem-pokonolona ny famakiana izany.
Synèse R.




