Nizotra am-pilaminana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, notanterahina, omaly, manerana ny Nosy. Voahaja avokoa ireo fepetra samihafa sy ny rindran-damina napetraky ny Ceni. Na izany aza, nisehoana olana madinika ihany ny Birao fandatsaham-bato (BV) sasany nefa tsy nanakana ny fizotry ny fifidianana izany amin’ny ankapobeny.
Anisan’izany ny tranga tao Toamasina na koa ny faritra hafa amin’ny fahadisoan’ny anarana na ny tsipelina ho an’ny kara-pifidianana maro ka niteraka fimenomenoman’ireo mpifidy. Teo koa ny fahataran’ny fitaovana sy ireo kojakojam-pifidianana teny anivon’ny BV ka nahatara ny fanombohan’ny fandatsaham-bato. Anisan’izany ny tany Vangaindrano.
Nahitana fandraisan’anjaran’ireo nanana fahasembanana koa izany, toy ny teny amin’ny EPP Andafiatsimo Tanjombato, ka nahafahan’ilay jamba iray nanefa ny adidiny amin’ilay fitaovana manokana avy amin’ny Ceni.
Hita taratra tamin’ireo BV sasany koa fa narisarisa ny fahavitrihan’ny mpifidy. Tsy tazana ny filaharam-be fahita amin’ny fifidianana filoham-pirenena teo aloha. Nisongadina kosa ny teny Andavamamba amin’ny hamaroan’ireo mpifidy, nilahatra ny tolakandro.
Synèse R.




