Masoivohon’i Etazonia : hanaraka ny toe-draharaha

Namoaka fanambarana tao amin’ny “Facebook” ny masoivohon’i Etazonia sy ny sehatra iraisam-pirenena, omaly. Mifan­toka amin’ny fifidianana izy ireo ary nahita fa nizotra tamim-pilaminana amin’ny ankapobeny ny andron’ny fifidianana ary tsy nisy tatitra tranga momba ny herisetra, omaly. Vonona hatrany ny hanohana ny finiavan’ny vahoaka hisitraka ny zon’izy ireo handray anjara amin’ny hoavin’ny fireneny i Etazonia, araka ny fanambarana. “Mampanahy anay anefa ireo tatitra samihafa momba ny taham-pandraisana anjara ambany manerana an’i Madagasikara. Hitohy hanara-maso ny fanisam-bato sy hanaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha”, hoy izy ireo. Anisan’ ny mampanahy an’i Etazonia ny tsy fahampian’ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato (BV) amin’ny toerana maromaro sy ny fiofanana nomena azy ireo. Samy nitatitra ny tsy fahatomombanana tany amin’ny biraom-pifidianana, indrindra tamin’ny fihetsik’ireo solontenan’ny antoko politika ny ma­soivoho Amerikanina sy ny mpanara-maso. “Mbola hivory handinika sy hanamarina ireo vaovao ireo ato anatin’ny andro na herinandro vitsy, indrindra ny fizotry ny fifidianana nandritra ny andro fandatsaham-bato sy ny fanisam-bato ary fitaterana ireo fitaovana nandatsaham-bato ny masoivoho Amerikana sy ireo masoivoho hafa ary ireo rafitra iraisam-pirenena miaraka amin’ireo mpanara-maso iraisam-pirenena”, hoy ihany izy ireo. Niantso ny olom-pirenena, ny antoko politika, ary ireo kandidà hiandry am-pilaminana sy am-pitoniana ny vokatra avy amin’ny Ceni izy ireo. Nanterin’ny fanambarana fa tokony hovahana amin’ny alalan’ireo rafitra voalazan’ny lalàna manan-kery ireo fitarainana momba ny fifidianana.

Synèse R.

Partager sur: