Naneho ny heviny momba ny fifidianana ny kandidà, Andry Rajoelina, omaly, taorian’ny latsa-bato nataony teny Ambatobe. Nambarany tamin’izany ny momba ny fahitany ny fizotran’ny fifidianana.
“Matoky ny fahamatoran’ny demokrasia malagasy aho, ary matoky ny safidin’ny vahoaka”, hoy ny kandidà lah. 3, Rajoelina Andry, taorian’ny latsa-batony teny Ambatobe, omaly. Misy hatrany olona mamboly korontana ny fifidianana eto Madagasikara, fa misaotra ny fahendren’ny vahoaka malagasy izy. Zo fototra ny mifidy. Fandikan-dalàna ny fanakanana ny olom-pirenena tsy hifidy. Izay no nanomezany ohatra amin’ ny maha kandidà azy fa tsy amin’ny maha mpanao politika ihany. Izay no anentanana ny olom-pirenena ho tonga marobe hifidy.
Nohamafisiny fa zo sy adidy ny mifidy. Mampiseho ohatra amin’ny vahoaka malagasy izahay fa nahavita adidy amin’ny firenena. Zava-dehibe loatra ny safidy. Kihon-dalana lehibe ny androm-pifidianana, ahazoana mamaritra ny hoavin’i Madagasikara sy ny Malagasy tsirairay avy
amin’ny dimy taona manaraka. Tsy misy afa-kanapaka ny zon’ny vahoaka hifidy. Azo atao tsara ny mifidy, ary mahavelom-bolo fa marobe no nifidy hanefa izay adidy izay.
Nampirisika ny olom-pirenena
Nampirisika ny olom-pirenena ho avy marobe hanefa izay adidy izay izy, fa masina ny tanindrazana.
“Tsy terena ny olona handray anjara amin’ny fifidianana”, hoy izy ny amin’ireo tsy nadray anjara. Fa zo sy adidin’ny vahoaka koa ny mifidy. Hita fa mavitrika ny olona; na nosakanan’ny olom-bitsy tsy hifidy aza, tonga marobe ny vahoaka nifidy.
R. Nd.




