Fianarantsoa: tsenabem –paritry ny harena an-kibon’ny tany

Natao tany Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny Tsenabe iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany, niarahan’ny faritra Matsiatra Ambony sy Ihorombe, nokarakarain’ny fitantanam-paritry ny minisitera. Nisy koa ny loabary an-dasy hanatsarana ity sehatra ity. Nampahatsia­hi­vin’ny minisitra Rakoto­malala Herinandrainy Olivier, ny paikady, hampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka madinika, nametrahana ny fari-pitrandrahana (zone d’encadrement), ka ilaina ny fidiran’izy ireo anaty fikam­banana. Mila mivondrona anaty fikambanana izy ireo. Tsy azo atao ny mampiasa fitaovam-pitrandrahana va­venty ao anaty “zone d’encadrement”, toy ny bildozera, ohatra.
Hiteraka asa
Maimaim-poana ny fikarakarana ny antontan-taratasy. Nankasitrahan’ny mpitran­draka izany satria hiteraka asa maro, araka ny veliranon’ny filoham-pirenena, “asa mendrika ho an’ny rehetra”. Ham­pihena ny tsy fandriampahalemana eny ifotony.
Navoitran’ny minisitra koa fa azo tsinjovina taona maromaro mialoha ny vola tokony hiditra amin’ny faritra avy amin’ny tamberim-bidy, ka azo vinavinaina koa ny hampiasana azy. Miankina ny laharam-pahamehan’ny kaominina na ny faritra manerana ny Nosy izany.

Njaka A.

Partager sur: