Jirama: nidina an-dalambe koa ny any Moratsiazo Ampefy

Tsy mety tapitra ny hatezeran’ny mpanjifa sy ny mponina noho ny fahatapahan-jiro, amin’ny tambajotra ma­matsy ny any amin’ny tapany an-drefan’Antananarivo, miainga etsy Anosizato. Taorian’ny tany Antanentimboahangy Ana­lavory, ny zoma hariva 25 novambra, nidina an-dalambe koa ny mponina any Mora­tsiazo avaratr’Ampefy, distrika Soaviandriana, omaly tolakandro. Nobahanan’izy ireo ny lalana, sady nandoro kodia­rana.
Mitovy daholo ny fitakiana, leo ny tsy fisian’ny herina­ratra efa nanomboka ny 17 no­vambra 2022 ny mponina. Mandeha kosa ny jiro any Am­pefy sy Soavinandriana, saingy tapatapaka matetika.

Njaka A.

Partager sur: