Jly Camille Vital : “Aoka ho tony isika”

“Mbola miantso ny Malagasy rehetra ho tony sy ho hendry izahay. Tsy mahazaka korontana intsony isika. Tsy tsara ho antsika izany. Efa mafy ny mahazo antsika. Aoka izay ny korontana!” , hoy ny praiminisitra teo aloha, ambasadaoron’i Madagasikara atsy amin’ny Nosy Maorisy, ny Jly Albert Camille Vital. Nambarany fa tsy mendrika korontana intsony i Madagasikara. “Ampiraiso àry ny hery hahazoantsika mampandroso an’ity firenentsika ity. Izay ilay hoe “Hiaraka isika” rehetra mba hampandroso an’i Madagasikara”, hoy ity filoha mpanorina ny antoko Hiaraka isika ity.
Milaza ny fiombonana iraisam-pirenena hoe tsy eny an-dalambe no hanatanterahana ny demokrasia, fa amin’ny alalan’ny fifidianana. Ilaina sy lalana hampandrosoana ny firenena iray izany. Samy manana ny fomba demokratika iainana ny firenena tsirairay. Mba manana an’izay koa i Madagasikara, satria mitovy amin’ny hafa rehetra
Ho hita eo ny taham-pahavitrihana amin’ny fandraisana anjara amin’izay fifidianana izay.

R. Nd.

Partager sur: