UJ- CEMAC: “Tontosa araka ny fenitra ny fifidianana”

Nanatanteraka fanambarana voalohany, vokatry ny fanaraha-maso nataony, nandritra ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy, ny mpanara-maso fifidianana, avy amin’ny “Union-Jeunesse de la comunauté economique et monétaire de l’Afrique Cen­trale” na UJ-CEMAC, omaly, teny amin’ny Tometal Maha­masina. “Nizotra araka ny fenitra iraisam-pirenena sy araka ny napetraky ny fanjakana malagasy ny fifidianana”, hoy ny fanambaran’ity mpanara-maso iraisam-pirenena ity. Na teo aza anefa izany, nisy ireo tsy fahatomombanana sy mbola tokony hohatsaraina, araka ny fanambarany hatrany.
Ny 7 novambra 2023 no ni­gadona teto Madagasikara ny avy eo anivon’ny UJ-CEMAC. Faritra Analamanga sy Bon­golava ary Vakinankaratra no nanatanterahan’izy ireo ny iraka, amin’ny maha mpanara-maso fifidianana azy. Nisy kosa anefa ny fiaraha-miasa tamin’ny haino vaky jery samihafa ho fanarahi-maso ireo faritra sisa. “Nizotra soa aman-tsara ny fifidianana amin’ny ankapobeny. Tsikaritra kosa anefa ny fahataran’ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato sy ny tsy fisian’ny solontenan’ny kandidà sasany tanaty biraom-pifidianana”, hoy i Cyrille Nguiegang Ntchassep, mpitarika ny iraka.

Lin

Partager sur: