“Tena miabo ny fizotran’ny fifidianana”, hoy ny lehiben’ny mpanara-maso fifidianana iraisam-pirenena avy amin’ny Comite économique des Etats de l’Afrique Centrale” (CEENA), i Cyrille Ndemba, teny Tanjombato, omaly. Tamin’ireo birao fandatsaham-bato notsidihan’izy ireo, hita fa ara-dalàna ary tsara ny fizotran’ny fifidianana. Na izany aza, nomarihiny ny tsy fisian’ny delegen’ny antoko politika amin’ny fanaraha-maso ny fifididiana. Hita amin’ny biraom-pifidianana rehetra ny solontenan’ny kandidà lah. 3. Ny an’ny lah.13, amin’ny biraom-pifidianana sasany; ary tsy misy ny an’ny lah. 11. Rehefa tsy misy ny delege, tsy misy ny fahazoana antoka amin’ny fanaovana fitarainana.
Noharahabainy ny Ceni fa nahomby ny asany eo amin’ny lafiny teknika. Mifanaraka amin’ny isan’ny mpifidy amin’ny birao fandatsaham-bato ny isan’ny biletà tokana, misy ny ranomainty saro-kosehina, tonga ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana… Ny vahoaka, izay mihevitra ny fampandrosoana sy ny hisian’ny fahamarinan-toerana.
R. Nd.




