RAFPRO-FMFP: sarotra ny mahita mpiasa tena matihanina eto Madagasikara

Mpikambana feno ao amin’ny tambanjotra Rafpro* izao ny FMFP* eto Madagasikara nanomboka tamin’ny marsa 2019. Ny FMFP dia sampana iray mpanofana momba ny sehatrasa maro, indrindra ho an’ny tanora hahatonga azy ho matihanina.

Mivory eto an-toerana nanomboka omaly hatramin’ny 1 de­sambra 2022, « Top management », izao ny tambajotra Rafpro iombonan’ny firenena 13 aty Afrika manome fanofanana samihafa ireo tanora. Lohahevitra telo lehibe no ho dinihin’ireo tany mpikam­bana, ny fivoaran’ny mpiasa any aminy, ao anatin’izany ny fahaizana sy traikefa ananany ary ny fiantraikan’izany eo amin’ny toekarem-pirenena. Andro faharoa, ny paikady hitadiavana famatsiam-bola tsy hahatapaka ny fanofanana. Apetraka voalohany amin’ izany ny fifampitokisana misy amin’ireo misehatra rehetra momba ny vola. Andro fahatelo, fizahana manokana ny tsy maintsy hidirana amin’ny nomerika.
Ny ataon’ny FMFP ny ha­nampiana ny orinasa eto an-toerana, satria ambany dia ambany ny fahaiza-manao amin’ireo tanora nefa betsaka ny tsy an’asa. Ohatra, tsy ampy ny mpanefy vy eto amintsika ka voatery manafatra avy any ivelany, indrindra ireo orinasa vaventy. “Na nisy aza ny valanaretina tsy nipetraka ny FMFP fa nanohy ny fanofa­nana, ary maro vokatra azo. Mila tambajotra matanjaka ny FMFP ka izany no nidiran­tsika amin’ny Rafpro, tanjona ny hisian’ny fifanakalozana, koa rariny raha mifanolo tanana ny samy Afrikanina”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Rambearivelo Noelison.

“Mila ampitomboina ny isany”
“Mampalahelo fa ny eto an-toerana indray tsy mahita mpiasa ampy traikefa sy matihanina, koa izay no ezahina harenina. Be mpitady amin’ izao fotoana ny fahaizana mi­fehy ny digitalisation, sy miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro, eo koa ny momba ny taotrano na BTP satria isika izao ao anatin’ny andron’ny fanarenana. Mahay ny tanora mala­gasy, mpampiofana na ny mpio­fana fa mila ampitomboina ny isany”, hoy ihany ny filohan’ ny filankevi-pitantanana.
Mampitambatra ny rehetra kosa ny Rafpro, izay efa ni­joro hatramin’ny 2006, miantoka ny fampiroboroboana ny fanofanana mpiasa ho tombontsoan’ny orinasa. “Ny olombelona no harena voalohany ao anatin’ny orinasa iray, ka tokony hananana ny kolontsaina hampitombo ny fahaizan’izy ireo. Adidinay koa ny mampiditra anatin’ny rafitra ara-dalàna”, hoy Indri Phillipe, Sekretera jeneralin’ ny Rafpro.

Ndrina

RAFPRO* : Réseau Africain et Fonds de Formation Professionnelle
FMFP* : Fonds Malgache de Formation Professionnelle

Partager sur: