Notontosaina tany Farafangana renivohitra Atsimo Atsinanana ny foara niompana amin’ny toekarena. Tanjona, fampahafantarana ireo vokatra misy ao amin’ny faritra : kafe, sakay, dipoavatra, tantely ; avy amin’ny fiompiana sy ny jono : trondron-dranomamy sy ranomasina, langouste. Ny hita dia efa miroso amin’ny fanodinana ireo fikambanana ka efa misy fonosana tsara ny entana hahafahana mifaninanana amin’ny tsena ato anatiny sy ivelany.
Hita tao ihany koa ny asa tanana sy ireo mpiaro ny tontolo iainana. Tao koa ny Defis, ny Giz Prada, Afafi sud, Interaide izay manohana ifotony ireo fikambanana ka manome tosika azy ireo hanana fahaleovantena amin’ny fitadiavana ka afaka hiary toy ny rehetra. Ireo fikambanana manao ny saly trondro sy ny varotra tantely ary ny dipoavatra mena. Ary nijery momba ny fahasalamana ny tetikasa “Health In Harmony” izay miasa ao amin’ny distrikan’i Vondrozo. Hita fa manankarena tokoa ny faritra fa mila tosika ny fitrandrahana azy mba hivadika ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana.
Ankoatra ny hetsika ara-toekarena, nisy ny hetsika ara-kolontsaina, nanehoana ireo mpanakanto avy any an-toerana ; fifaninanana fanatanjahantena nahitana ny taranja samihafa niarovana ny voninahitry ny faritra tamin’ireo fifaninanam-pirenena.
“Faritra be harena mahatamana”
Na teo aza ny fandalovan’ny rivodoza indroa nisesy, niezahana notanterahina ihany ny foara mba hahafantarana ny vokatra sy hitadiavana lalam-barotra, ary koa hisintomana ny mpizahatany. Mpandray anjara manodidina ny 50 no nampiranty tamin’ny trano eva nandritra ny telo andro (25, 26, 27 novambra 2022) tao Farafangana. Foara fanomanana ny andiany manaraka, amin’izay mivoaka tsara ny vokatra misy ary irariana mba tsy ho hisy rivodoza amin’ny taona ho avy. “Faritra be harena mahatamana” ny teny filamatry ny faritra Atsimo Atsinanana.
Ndrina