Nampanao fifaninanana “Play Your Airport” ny Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eo Ivato sy Nosy Be. Ny 25 novambra teo natao ny famaranana ka nankatoavina nahazo loka izay tetikasa mitondra any amin’ny fanavaozana momba ny fandraharahana ao amin’ny seranam-piaramanidina, fitaratara aty amin’ny ranomasimbe indianina.
Nisokatra ho an’ny mpianatra sy mpandraharaha vao manomboka ny fifaninanana, nizahana izay tetikasa vaovao sy maharitra, ka anaovana andrana eo amin’ny Ravinala Airports ny hita amin’izany. Nentanina manokana amin’ny fikarohana ny mponina manodidina. Nanomboka septambra no nisokafan’ny fifaninanana, 100 ny tetikasa voaray, ka 68 ny azo raisina, 9 nanao famaranana, ary 7 ireo nahazo loka.
Nafantoka tamin’ny lohahevitra telo ny fifaninanana: fotodrafitrasa, tolotra any anaty fiaramanidina, ary momba ny mpandeha. Tamin’ireo 9 nanao famaranana, 2 isaky ny lohahevitra nomena loka ary 1 « prix coup de cœur » araka nisafidianana azy : tombontsoa ho an’ny Ravinala Airports, maha vaovao ny tetikasa, azo tanterahina ny tetikasa, lafiny toekarena, fitambaran’ ny ekipa, mazava tsara ny fanolorana azy.
Ireo mpifaninana nahazo loka
Momba ny fotodrafitrasa, nahazo ny loka ny Andao Company. Manentana ny rehetra ny tetikasa mijery izay mpiara-miombon’antoka, manangona sy manodina ny fako, indrindra ny plastika ho lasa fitaovam-pianarana. Tetikasan’ny Recycl’O indray, fahazoana manadio rano eny amin’ny seranam-piaramanidina sy mampiasa izany indray. Mety handeha ho any Frantsa ireo nahazo loka ireo haka traikefa amin’ny ADP*.
Ny tolotra eny ambonin’ ny fiaramanidina, lasan’ny Restauration Responsable Catering Aérien. Ny tetikasany dia ahena ny fanimbana sakafo, fikajiana ny fako, fiaraha-miasa akaiky amin’ny eto an-toerana hanomezana sakafo madio sy tsara kalitao ho an’ny mpandeha. Natolotry ny Emeeoli, manodina angovo avy amin’ny rivotra sy fako eny amin’ny fiaramanidina.
Momba ny mpandeha, lasan’ny Madagreenagain By Clicodeal. Tetikasa hahafahan’ny mpandeha mamboly hazo. Miaraka aminy ny Safly, fanatsarana ny kalitaon’ ny tolotra sy fitantanana ny tontolo iainana eny amin’ny seranam-piaramanidina.
Nitsara ny fifaninanana ny solontenan’ny kaominina Ivato, avy amin’ny Vondrona ADP, tale jeneralin’ny Ravinala Airports, ny solontenan’ ny Asecna, ary ny mpanohana ireo mpandraharaha vao misondrotra.
Ndrina