IORA : hampivelatra ny fiaraha-miasa ara-barotra

Nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ireo minisitra mivondrona eo anivon’ny IORA na ny « Indian Ocean Rim Association » andiany faha-22 natao tao Bangladesh, minisitry ny Raharaham-
bahiny misolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, na­nom­boka ny 22 novambra teo. Nifototra tamin’ny fikatsa­hana ny tombontsoa iraisan’ ny firenena mikambana ity fihaonambe ity. Anisan’izany ny fampivelarana ny fiaraha-miasa ara-barotra, ara-toekarena ary ny indostria eo amin’ ireo firenena mpikambana mba hisian’ny fampandrosoana maharitra. Laharam-pahamehana koa ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’ andro. Marihina fa fivondronan’ireo firenena sy ireo mpandraharaha ara-toekarena ary ireo fikambanana akademika manodidina ny ranomasimbe indianina ni­tsangana tamin’ny taona 1997, ny IORA.

Tsiferana R.

Partager sur: