SADC, COMESA, OIF: « Nizotra am-pilaminana ny fifidianana … »

Tontosa ny sabotsy 18 novambra 2023, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fanambarana niombonan’ny SADC sy ny COMESA ary ny OIF, mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voa­lohany. Nambaran’izy ireo fa nizotra tamim-pilaminana ny fifidianana teto Mada­ga­sikara. Notsindrin’izy ireo fa mbola manaraka akaiky ny fandehan’ny zotram-pifidianana izy ireo, ankehitriny, ka miandry fatratra ny voka-pifidianana. Nanentana ny Malagasy tsirairay mba handray ny adidy sy andraikitra manandrify azy, ireto vahiny mpanara-maso ireto mba hialàna amin’ny krizy.
Anisan’ny afapo tamin’ny fizotran’ny fifidianana teto Madagasikara ihany koa ny avy amin’ny MCIDODEPUDA, izay mpanara-maso iraisam-pirenena niatrika ny zotram-pifidianana. Nanao fanambarana ihany koa izy ireo ny amin’ny fanarahan’ny fifidianana teto Madagasikara ny fenitra izay napetraky ny mpanara-maso iraisam-pirenena. Nam­piaiky ity vondrona mpanara-maso ity koa ny fandraisan’anjaran’ny mpifidy sy ny filaminana ary ny lafiny serasera nandritra ny zotram-pifidianana vita, indrindra nandritra ny andron’ny fifidianana.
Tamin’izany fanambarana voalohany izany no nankasitrahana sy niarahaban’ny MCIDODEPUDA ny vahoaka malagasy sy ny Ceni. Nisy ihany koa ny antso nataon’izy ireo tamin’ny mpiantsehatra politika mba ho tony sy hamela ireo tomponandraikitra hanao ny asany amin’ny famoahana ny voka-pifidianana.

Lin

Partager sur: