Letisia : hanondrana 18 000t i Madagasikara amin’ity taona ity

Toy ny tamin’ny taon-dasa, nanodidina ny 18 000t ny vokatra letisia naondran’i Madagasikara tany ivelany. Hanomboka ny talata izao ny taom-piotazana.

Tapaka taorian’ny fivorian’ ireo mpisehatra samihafa eo amin’ny letisia fa manodidina ny 17 500-18 000t ny vokatra letisia aondrantsika any ivelany amin’ity taona ity. “Quota” mitovy tamin’ny taon-dasa. “Handray izany vokatra izany ny tsenan’i Europe, Dubaï, Russie, Mayotte sy ny firenena hafa”, hoy ny fanazavan’ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, nandritra ny fivo­riana, niarahany tamin’ireo mpiantsehatra ao amin’ny faritra Atsinanana, ny zoma teo. Notohizany fa nihatsara ny vokatra tamin’ity taona ity noho ny habetsaky ny rotsakorana sy ny hafanana ilaina amin’izany.
Toy ny tamin’ny taon-dasa, noferana ho 1 300Ar/kg ny hakan’ny mpandraharaha ny letisia. Vidiny nifanarahana tamin’ireo mpisehatra sami­hafa, araka ny fanazavana voaray.
Miisa roa ny sambo hitatitra ny letisia malagasy hihazo an’i Europe, raha hanomboka ny talata izao kosa ny taom-piotazana 2023. Natsangana ny “guichet unique” hanamorana ny fikarakarana ny atontan-taratasy ho an’ny fandraharahana ny vokatra ao amin’ ny faritra Atsinanana sy Ana­lanjirofo. Toerana handoavana ny hetra sy fahazaon-dalana handraharaha.

Avo roa heny

Tafakatra hatrany amin’ny 602 sahady ireo mpanangom-bokatra nisoratra anarana teny anivon’ny “guichet unique” ny sabotsy teo. Nitombo izany raha oharina ny andro voalohany nisokafan’ny birao, ny zoma teo. “Tamin’io andro io, miisa 426 ny mpanangom-bokatra nisoratra anarana. Isan-taona, manodidina ny 200 kosa ireo misoratra anarana amin’ny andro voalohany isokafan’ny guichet unique”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray any an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: