Toekarena: nifanohana ny mpandraharaha

Nifarana ny sabotsy teo ny fihaonambe nasionalin’ny mpandraharaha (forum des entrepreneurs), andiany faha-5, nokarakarain’ny fikambanana Club des Entrepreneurs eo anivon’ny Madagascar Entreprises Développement Aina. Hetsika nahafahan’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany mifampizara traikefa, mifanakalo hevitra manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana izay miantraika betsaka amin’ny toekarena sy ny fandraharahana. Nisy ny varotra sy fampirantiam-bokatra nandritra ny roa andro nanaovana ny hetsika. Teo ihany koa ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra niarahan’ireo mpandraharaha isan-karazany. Fifanakalozan-kevitra sy fifampizarana eo amin’ny roa tonta amin’ny fanatsarana sy fandraharahana. Voaresaka nandritra ireo fotoana ireo ny tolo-kevitra naroson’ireo zoky mpandraharaha hanatsarana ny famokarana anatiny sy ny fanjifana. Hetsika nanomezana tohana sy tantsoroka. Fantatra fa maro ireo orinasa vao misan­dratra no maty roa taona aorian’ny nijoroany noho ny tsy fananana traikefa manoloana ny zava-mitranga. Mano-didina ny 20% eo sisa ny manohy ny fihariany. Manampy trotraka ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana eto amintsika.

Henintsoa H.

Partager sur: