Voka-pifidianana : Anjakan’ny kandidà Rajoelina ny faritany enina

Navoakan’ny Ceni, omaly, ny fironana amin’ny voka-pifidianana amin’ny faritany enina. Mbola mitarika ny kandidà Rajoelina raha ifandimbiasan’ny kandidà Ravalomanana Marc sy Randrianasoloniaiko Siteny kosa ny laharana faharoa.

Nahazo ny salanisa 62% ny kandidà laharana fahatelo eto amin’ny faritanin’Antananarivo raha ny voka-pifidianana nivoaka omaly hariva. Eo amin’ny la­harana faharoa, nahazo ny 19% kosa ny kandidà Ravalo­manana Marc, raha 9% ny an’ny kandidà laharana faha-13. Mbola ny 39% amin’ireo Birao fandatsaham-bato (BV) no voakirakira amin’izany ary manome ny taham-pahavitrihana 30%. Nisongadina tany Antsirana­na kosa sady faharoa ny kandidà Rajaonari­mam­­pianina Hery, nahazo ny 20% raha voalohany, nahazo 60% ny kandidà Rajoelina Andry. Maherin’ny 12%, eo amin’ny fahatelo ny kandidà laharana faha-13 ary fahefatra ny kandidà Ravalomanana, nahazo ny 6%. Manodidina ny 47% ny taham-pahavitrihana ary 54% amin’ny BV ny nahazoana ireo.
Ho an’ny faritany Fiana­rantsoa indray, nahazo 67% ny kandidà Rajoelina raha faharoa ny kandidà R. Siteny, nibata ny 13%. Faha­telo kosa ny kandidà Ravalo­manana, amin’ny salanisa 7%. Manodi­dina ny 51% ny taham-pahavitrihana ary ny 32% ny BV namoahana ireo voka-pifidianana ireo.

Tonga maro

Mitarika amin’ny 54% ny kandidà Rajoelina any Maha­janga. Arahin’ny kandidà Ravalomanana, manana ny salanisa 17%, raha 10% ny an’ny kandidà R. Siteny.
Maherin’ny 63% ny azon’ny kandidà laharana fahatelo any Toamasina. Arahin’ny kandidà laharana fahadimy, 11% ary 9% kosa ny an’ny kandidà laharana faha-13. Maherin’ny 44% ny taham-pahavitrihana ary ny 29% amin’ny BV ireo vokatra ireo.
Niakatra ho 24% ny an’ny kandidà R. Siteny any Toliara raha mbola voalohany kosa ny kandidà Rajoelina, nahazo 56%. Eo amin’ny 6% kosa ny an’ny kandidà Ravalomanana. Ambony indrindra hatramin’ny omaly ny taham-pahavitrihana ho an’ny faritanin’i Toliara. Maherin’ny 61% izany ary 15% amin’ny BV ireo namoahana voka-pifidianana ireo.

Synèse R.

Partager sur: