Firenena mpiara-miasa akaiky an’i Madagasikara i Frantsa. Nahitana fatiantoka ny fiaraha-miasan’ny roa tonta tato anatin’ny fotoana fohy, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola frantsay. Firenena faha-77 mpanjifa ny vokatra frantsay i Madagasikara ary faha-70 mpamatsy an’i Frantsa, hoy ny loharanom-baovao iray. Mpanjifa faharoa ny vokatra malagasy kosa izy raha nitana ny laharana voalohany teo aloha. Fantatra fa mandray ny 15,7% ny vokatra avy eto an-toerana i Frantsa, raha toa ka 16,6% ny vokatra avy eto Madagasikara kosa i Etazonia ary manodidina ny 14,1% ny an’ i Sina.
Ny taona 2022, nihemotra eo amin’ny laharana fahadimy amin’ny famatsiana ny Nosy malagasy i Frantsa amin’ireo 4,9% anjara tsenany. Voasongon’i Sina, Oman, Inde ary Afrika Atsimo ity firenena akaiky an’i Madagasikara ity. Na izany aza, tafakatra hatrany amin’ny 1,1 miliara euros ny vokatry ny fiaraha-miasan’ny roa tonta nandritra ny taona 2022. Taham-piakarana 28% raha oharina ny taona 2021 izay nitentina 875 tapitrisa euros. Manazava izany fiakaran’ ny fanjifan’ny firenena frantsay izany ny vokatry ny fambolena eto an-toerana, toy ny lavanila, sy ny fitafiana vita malagasy.
Fatiantoka
Nilatsaka hatrany amin’ny 268 tapitrisa euros ny raharaham-barotr’i Madagasikara sy i Frantsa tamin’ny herintaona na teo aza ny taham-piakaran’ny fanondranam-bokatra avy any amin’ity firenena ity ho 20%, izay mitentina 425 tapitrisa euros, hoy ny loharanom-baovao. Etsy ankilany, niakatra ho 32,9 % koa ny fanondranan’i Madagasikara mihazo an’i Frantsa tamin’ny herintaona, izay mitentina 692,2 tapitrisa euros. Mandray ny fitafy, ny lamba, ny vokatra avy amin’ny hoditra (cuir) sy ny kiraro mitentina hatrany amin’ny 127 tapitrisa Ar avy any Frantsa ny firenena malagasy.
Henintsoa H.