Fandraharahana letisia: tsy miova ny hetra aloa eny amin’ ny “guichet unique”

Voafaritra avokoa ireo hetra aloa amin’ny fikirakirana ny atontan-taratasy amin’ny fandraharahana ny letisia ao amin’ny faritra Atsinanana. Tsy niova ny hetra aloa eny amin’ny “guichet unique”. Mandoa hetra tambatra, 130 000Ar ireo fiara latsaky ny 1t hitantitra ny vokatra. Mano­didina ny 160 000Ar izany ho an’ireo fiara manomboka ny 1, 50t ka hatramin’ny 3t. Mitentina 180 000Ar ho an’ ireo fiara milanja 3.001t ka haramin’ny 6t hitatitra ny vokatra. Mahatratra 200 000Ar kosa izany ho an’ireo fiara manomboka ny 6,001t- 10t. Mitentina 220 000Ar ny hetra tambatra ho an’ireo fiara10t no mihoatra.

Fijanonana
Misy ny saran’ny fijanonana manokana voafaritra ao anatin’ireo atontan-taratasy karakaraina ho an’ireo fiara mpitatitra letisia. Mandoa hetra 40 000Ar ireo fiara latsaky ny 1t raha toa ka 80 000Ar izany ho an’ireo hatramin’ny 2t. Mandoa hetra 120 000Ar ny fiara rehetra manomboka amin’ny 2-5t. Manodidina ny 160 000Ar kosa ireo mihoatra ny 5t, araka ny voafaritra ao anatin’ny “guichet unique” hatrany. Mandoa 20 000Ar ny fiaran’olon-tsotra hanaovana “mutation” raha toa ka 10 000Ar ny fanavaozana ny atontan-taratasy. Miampy 10 000Ar kosa ho an’ny fanampiana fiara. Mitentina 40 000Ar ny sarany aloa ho an’ireo fiarana orinasa. Tsy miova manaraka izany hetra ho an’ny fanampiana fiara. Manampy izany ireo atontan-taratasy samihafa ilaina. Tsiahivina fa hisokatra anio amin’ny 3 ora tolakandro ny taom-piotazana letisia 2023.

Sajo

Partager sur: