“Tsy mety loatra ny fanaovana fanakianana ny fanapahan’ny HCC. Tsy mety loatra ny ataon’ny mpanara-maso iraisam-pirenena amin’ny fanakianana mamaivay. Eo koa ny ataon’ny samy Malagasy, eo ireo milaza ho mpahay lalàna, mpisolovava, mpitsara, profesora… “, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, ny herinandro teo. Nambarany fa noho ny firenena mila fitoniana dia tsy mbola hamaly an’ireny izy. Misy fotoana itenenana, misy fotoana anginana. Fahanginana amin’izao fotoana hiandrasana ny valim-pifidianana tanteraka hatramin’ny farany. Amin’ny maha filohan’ny HCC sy maha olom-pirenena azy, manam-kambara koa izy mandre an’ireny fanevatevana sy famingavingana atao amin’ny HCC ireny. “Ho gaga sy ho sahirana ireny mpanazimbazimba sy milaza anay ho tsy mahay na inona na inona ireny rehefa hisokatra izay zavatra izay indray andro any”, hoy izy.
R. Nd.




