Nijery ifotony sy nanara-maso ny fizotry ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny iraka mpanara-maso eo anivon’ny Sadc, omaly. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, izy ireo.
Nitondra fanazavana tamin’ireo delegasion’ny Sadc ny fomba fanatanterahana ny dingana, mialoha ny hamoahana ny fironan’ny voka-pifidianana ireo mpiasa eo anivon’ny Ceni, omaly. Nampahafantarina azy ireo koa ny fizarana andraikitra eo amin’ny ekipa rehetra. Nanatrika ny fahatongavan’ny voka-pifidianana avy any amin’ny faritra rahateo ny iraka.
Tsiahivina, mitarika manerana ny faritany enina ny kandidà Andry Rajoelina, raha ny fironan’ny voka-pifidianana, omaly hariva. Maherin’ny 60% ny vato azony ho an’ny faritanin’Antananarivo. Arahan’ny kandidà Ravalomanana Marc, 20%. Eo amin’ny fahatelo ny kandidà Randrianasoloniaiko Siteny, 9% raha fahefatra ny kandidà, Rajaonarimampianian Hery, nahazo ny 2%. Nibata ny 52% ny kandidà Rajoelina any Mahajanga. 18% kosa ny an-dRavalomanana raha 10% ny kandidà Randrianasoloniaiko ary 6% kosa ny kandidà Rajaonarimampianina.
Tafakatra 70%
Niakatra ho 25% ny vaton’i Siteny any Toliara raha voalohany kosa ny kandidà Rajoelina, 55%. Eo amin’ny 6% ny an’ny kandidà Ravalomanana ary 2% kosa ny an-dRajaonarimampianina. Tafakatra hatrany amin’ny 70% ny fandresen’ny kandidà laharana fahatelo any Fianarantsoa. 11% ny laharana faha-13, 6% ny an’ny kandidà Ravalomanana. Nahazo 2% ny kandidà Ratsiraka Roland ao Toamasina raha 5% ny vaton-dRajaonarimampianina. Mbola eo amin’ny telo voalohany kosa, Andry Rajoelina amin’ny salanisa 64%. 10% ny an’i Marc Ravalomanana. 9% kosa no azon’i Siteny Randrianasoloniaiko. Maherin’ny 20% ny vato azon-dRajaonarimampianina any Antsiranana raha 12% ny an’i Siteny ary arahan-dRavalomanana, nahazo ny 7%. Mbola voalohany, nibata ny 50% ny kandidà Rajoelina.
Synèse R.