“Takinay ny hanaovan’ny Ceni fanadihadiana ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra niseho mialoha na nandritra na taorian’ny fifidianana. Fahefana nomen’ny lalàna azy izany”, hoy ny KMF/Cnoe, omaly, tetsy Antanimena. Takin’izy ireo ny tatitry ny fampiasam-bola nataon’ireo kandidà nandritra ny fifidianana.
Na izany aza, natsidiky ny KMF/Cnoe fa filohan’ny Malagasy rehetra ny lany eo. “Tsy ho filohan’ireo manana ny karatry ny antoko sy ny mpiara-dia aminy ihany”, hoy izy ireo.
Natsidik’ity fiarahamonim-pirenena ity fa lalana roa ihany no ivoahana, hananana fanjakana mijoro ara-drariny. Eo ny fifampidinihan’ny hery velona amin’ny hitondrana ny firenena. Eo koa anefa ny fampiasana herisetra, amin’ny fitantanana.
Ankoatra izany, nasongadin’ny KMF/Cnoe tamin’ny fanaraha-maso ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy tany Marolambo. Nahatratra 100% izany raha teto Antananarivo kosa ny taha ambany indrindra, 13,64% tamin’ny birao fandatsaham-bato iray. Tsikaritr’izy ireo koa fa nisy mpifidy mbola nitondra akanjo, “Tee-shirt”, an’ny kandidà nefa navela nifidy. Ny valopy mirakitra ny vokatry ny latsa-bato avy tany amin’ny fokontany vitsivitsy tsy nihidy tonga teo amin’ny SRMV. Mbola notovanana ny lisitra ny 15 novambra ka tsy voahaja intsony ny «Principe de gel de la liste», araka ny ampahany amin’ny tsy fanarahan-dalàna samihafa.
Synèse R.