Hamboarina ny tetezamby (pont Bailey) eo amin’ny PK 10+100 any amin’ny lalam-pirenena RNT 14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Haharitra 15 andro ny asa ka voatery tsy maintsy haato ny fifamoivoizana ho an’ny fiara rehetra, noho izany, manomboka anio 22 hatramin’ny alakamisy 7 desambra 2023.
Manamarika ny minisiteran’ny Asa vaventy fa tsy misy ny fivilian-dalana azo andehanan’ny fiara mandritra ny fanamboarana. Hisy kosa anefa ny lalana natokana hiampitan’ny olona sy ahafahana mitatitra ny entana (transbordement). Misy ny toromarika omen’ny tomponandraikitra eny an-toerana ho an’ireo mpampiasa lalana, mandritra ireo fotoana voalaza ireo.
Ankoatra izany, tavela teo amin’ny tetezamby eo amin’ny PK 32, lalam-pirenena fahenina (RN 6), eo anelanelan’i Manerinerina sy Antsatramanera ny fiarabe iray, ny sabotsy 18 novambra teo, satria simba ny takelaby (platelage extra-large) fandehanan’ny fiara. Vita ny alatsinainy 20 novambra ny fanoloana ireo takelaby.
Njaka A.