Fiombonana : “Tsy tokony hiandry krizy vao hifampiresaka”

“Ilaina ny fifanakalozan-kevitra. Tsy hoe hiandry krizy vao hifampiantso sy hifampiresaka isika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fivoahan’ny fironan’ny voka-pifidianana vonjimaika amin’izao. Betsaka, ohatra, ny tsy ara-dalàna hitan’ny kandidà lah. 13, izay efa avoakany tsikelikely. Midika izany fa tsy maintsy hanohitra ny voka-pifidianana izy. Izay no atahorana sao mitondra amina krizy aorian’ny fifidianana. Tsara kokoa ny mifampiresaka.
43% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy, araka ny vokatra avy amin’ny Ceni. Karazana fandemen-tsaina ny filazana mialoha fa ara-dalàna io taham-pavitrihana io. Hiteraka tsy fahamarinan-toerana politika izay taham-pahavitrihana ambany izay. Eo koa ny tsy fananan’ny filohan’ny Repobli­ka voafidy eo ny ara-drariny, fa tena nisafidy tsy hamonjy biraom-pifidianana ny olona tamin’iny fifidianana iny.

R. Nd.

Partager sur: