Tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana : miandry ny fitoriana miaraka amin’ny porofo ny HCC

Mba tsy ho resabe fotsiny. Miantso sy manentana ireo nahita tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana ny eo anivon’ny HCC. Nametraka fepetra momba izany anefa izy ireo.

“Tokony hametraka fitoriana ireo nahita trangana tsy nanara-dalàna nandritra ny fifidianana. Na izany aza, ilaina miaraka amin’ny porofo izany”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoa­risoa Florent.

Nanteriny fa maro ireo milaza any anaty haino aman-jery samihafa amin’ny fahitana tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana, notanterahina ny 16 novambra lasa teo. Tsy afaka hitsara izany anefa izy ireo raha tsy misy ny fitoriana voaray, araka ny nambarany. Nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny HCC, Ranesa Firiana, fa mizara ho roa ny fitoriana momba ny fifidianana. Eo ny fifanolanana momba ny zotram-pifidianana « Con­tentieux des opérations ». Efa nisokatra nanomboka ny 17 novambra, iray andro taorian’ ny fifidianana izany.

Hamoaka ny voka-pifidianana ny Ceni

Hikatona amin’ny andro hamoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika, ny sabotsy izao izany fitoriana izany. “Anatin’ny fotoana ahafahana mametraka ny fitoriana momba ny zotram-pifidianana ny olom-pirenena rehetra nandray anjara tamin’ny fifidia­nana amin’izao fotoana izao”, hoy izy.

Eo koa ny fifanolanana momba ny voka-pifidianana
« Contentieux des résultats ». Hisokatra manomboka ny andro hamoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika ary haharitra roa andro aorian’ izany.
Tsiahivina fa afaka mitory na mametraka fitarainana avokoa ny kandidà rehetra, ny mpanara-maso ny fifidianana, nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Ceni. Manampy izany ireo olom-pirenena rehetra, nandray anjara tamin’ny fifidianana araka ny voalazan’ny lalàna.

Synèse R.

Partager sur: