Tetikasa Produir : mitohy ny fiarovana ny vahilava Ikopa sy Sisaony

Manomboka ny volana oktobra hatramin’ny avrily ny fotoam-pahavaratra eto amintsika.
Azo tsapain-tanana ny fanamafisan’ny tetikasa Pro­duir, ny vahilava, mirefy 5 km manamorona ny renira­non’Ikopa sy Sisaony, manoloana ny rivodoza tamin’ny fiandohan’ny taona 2023 teo. Saingy mbola anisan’ny namela takaitra ny oram-be tamin’ny taona 2022. Nisy ny asa vonjy taitra tsy maintsy natao niarovana ny fonenan’ny mponina.
Araka izany, mitohy ny asan’ny Produir hiarovana amin’ny tondradrano. Mizara telo ny toerana, manamorona ny ilany havian’Ikopa. Niho­tsaka ny tany mirefy 155 metatra, hita eny Bema­soandro Itaosy, sady nihena ny hatevin’ny vahilava, satria nokaohin’ny rano. Niteraka fiforonan’ny nosy kely eo afovoan’Ikopa izany. Misy vahilava mirefy 95 metatra ahina hihotsaka.

Arovana ny fihotsahan’ny tany
Anisan’ny hataon’ny Produir koa ny fanalana ny fotaka anaty rano. Tsy maintsy apetraka ny fefy hazo vonjimaika sy ny gony asiana fasika hiarovana ny fihotsahan’ny tany. Manao ny asa ny orinasa WIETC-JWHC, izay haharitra roa volana. Efa nisy ny fotodrafitrasa vita, amin’ny ilany ankavia amin’i Sisaony, any Ambohimangidy, ny ilany havanana an’Ankady eny Ankeniheny Tanjombato, ny ilany havia amin’Ikopa eny Ankadiaivo Alasora, ny ilany havanan’Ikopa eny Antsam­panana Ambohitrimanjaka.

Njaka A.

Partager sur: