Nisitraka zezika manaraka ny fenitra hanatsarana ny fambolena amin’ny ankapobeny ny mpamboly 52 avy ao amin’ny fokontany enina, anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. “Efa nisitraka fampiofanana manokana ireo tantsaha ary nisy ny sivana nahafahan’izy ireo nisitrika izao tosika hanatsarana ny fambolena izao”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàn’Ankadikely Ilafy, Rija Rajaonah. Natsidiny fa tafiditra tanteraka anatin’ny vinan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana ny fijerena manokana ny sosialim-bahoaka ary anisan’izany ny tosika ho an’ny tantsaha. “Miainga eny ifotony ny ezaka atao”, hoy hatrany ny voalazany. Marihina fa hanampy ny tantsaha amin’ny fanatsarana ny vokatra hafa koa ny zezika manara-penitra izay nositrahan’izy ireo omaly. Fiaraha-miasa eo anivon’ny kaominina ao an-toerana sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana no nahatontosa io fanampiana io.
Tsiferana R.