Zotram-pifidianana : fitoriana roa no voarain’ny HCC

Efa misy fitoriana roa avy amina kandidà voarain’ny eto anivon’ny HCC, hatramin’ny omaly, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Fitsara­na avo momba ny Lalàmpa­norenana (HCC), Ranesa Fi­riana, teny Ambohidahy, omaly, momba ny amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Karazana roa ny fifanolanana momba ny fifidianana, araka ny voalazan’ny lalàna. Eo ny amin’ny zotram-pifidianana amin’izay tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra na ny androm-pifidianana na ny fikirakirana voka-pifidianana teny amin’ny birao fandatsaham-bato na vaomiera mpanisa vato eny anivon’ny distrika (SRMV). Nanomboka ny 17 novambra, izay taorian’ny andro fandatsaham-bato, ny fitoriana amin’izany, ary mifarana amin’ny andro amoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika: anio izany. Manomboka
amin’izany kosa ny fitoriana momba ny voka-pifidianana, anio izany, ary mifarana 48 ora aorian’izay.
Mametra ny lalàna fa anatin’ny sivy andro aorian’ny fanambaran’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika no tsy maintsy hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy. “Tsy maintsy manaraka an’izay voalazan’ny lalàna izay ny HCC”, hoy izy. Amin’izao, efa mihoatra ny 50 % amin’ny asa no vitan’ny HCC. Misy fanavaozana manokana ny fikirakirana amin’ny haitao ara-kajy mirindra amin’ity fifidianana filohan’ny Repoblika ity. Noha­mafisina tanteraka ny fiarovana ny voka-pifidianana. Mba hialana amin’ny mety ho fanovaovana izany. Azo antoka tanteraka amin’izao ny haitao ampiasian’ny HCC amin’ny fikirakirana voka-pifidianana.

R. Nd.

Partager sur: