“Road to BAL”-Elite 16 : vonona handresy ny Cape Town Tigers ny Cospn

Hotontosaina anio, ao Johannesburg Afrika Atsimo, ny dingana manasa-dalana amin’ny “Elite 16”, lalao fifanintsanan’ny “Road to BAL” 2024, ho an’ny faritra Atsinanana. Hifandona amin’ny Cape Town Tigers ny Cospn Madagasikara.

Ekipa tompon-tanàna ity hihaona amin’i Madagasikara, amin’ny manasa-dalana anio ity, amin’ny 6 ora hariva, ora eto an-toerana. Na izany aza, maneho ny fahavononany ny handresy ny Cospn ary efa miomana sahady ny amin’ny lalao famaranana rahampitso, araka ny nambaran’ny mpanazatra, i Julien Chaignot. Nanana fotoana rahateo ireo mpilalao sy mpanazatra, omaly, nijery izay mbola tokony hohamafisina sy hatsaraina. Tetsy ankilany, niha natoky tena ny Malagasy mpilalao, taorian’ny fandresena indroa nisesy, ny alarobia sy alakamisy teo. Mijanona eo amin’ny laharana faharoa ny Cospn ao amin’ny vondrona misy azy, rehefa natao ny fanisana. Ny City Oilers avy ao Ouganda kosa ny laharana voalohany izay nandresy ny Ferroviario Mozambique, tamin’ny isa 100 no ho 86.

Mahakasika ny Cape Town Tigers kosa, nandresy ny NBA Academy, tamin’ny isa 69 no ho 61 ity ekipa ity, ny alakamisy lasa teo, ka mitàna ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona misy azy.
Rahampitso alahady ny famaranana

Mialoha ny lalaon’ny Cospn sy ny Cape Toawn Tigers, hihaona amin’ny manasa-dalana voalohany ny City Oilers sy ny Dynamo BBC, amin’ny 3 ora tolakandro, ora eto Madagasikara. Araka izany, iray amin’ireo ekipa roa ireo izany no miandry ny Cospn amin’ny lalao famaranana rahampitso, raha toa ka mahazo ny tapakila amin’izany ny Malagasy. Hia­trika ny fiadian-toerana laharana fahatelo kosa i Mada­ga­si­kara, raha toa ka tsy mahazo ny fandresena ho amin’ny anio. Tanjona ho an’ny Cospn ny ahazoana ny voalohany ka hahafahana miakatra amin’ny dingana manaraka amin’ity “Road to BAL” 2024.

Mi.Raz

Partager sur: