Tontosa omaly alahady, teny amin’ny Ibis Hotel Ankorondrano, ny fanambarana ny tatitra ofisialy avy amin’ny Communauté économique et monétaire de l’Afrique Centrale (CEMAC) momba ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara. Fifidianana nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, teo amin’ny fikarakarana sy fizotra ary ny famoahana no nisy teto Madagasikara, na dia teo aza ny tsy fahatomombanana, araka ny nambaran’ity mpanara-maso iraisam-pirenena ity. Nanambara ihany koa izy ireo fa mendrika halaina tahaka ho an’ny firenena eto Afrika ny fifidianana nisy teto Madagasikara.
Anisan’ny mpanara-maso nanao tatitra voalohany, ny fahitany ny fandehan’ny zotram-pifidianana, natao ny 16 novambra 2023, ny avy amin’ny CEMAC. Mbola hisy moa ny tatitra ataon’izy ireo any amin’ny rafitra samihafa, taorian’iny omaly nanoloana ny mpanao gazety iny. Nandritra izany fanambarana izany no nilazan’izy ireo ny fahafaham-pony tamin’ny zotram-pifidianana, taorianan’ny fanaraha-maso nataony. Lalàna, didy hitsivolana, fanambarana maro samihafa no narahin’iny zotram-pifidianana iny.
Tao anatin’izany ihany koa no nanaovan’i Nguiegabg Ntchassep Cyrille, lehiben’ny iraka, antso avo amin’ny mpisehatra politika rehetra, ny amin’ny fiaraha-minentana ho tombontsoan’ny firenena.
Lin




