FIBA 3X3 Africa Cup : fantatra ireo mandrafitra ny ekipa malagasy

Hotontosaina ny faran’ity herinandro ity, any Le Caire Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3. Nivoaka ny sabotsy teo ny lisitra ofisialin’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, lahy sy vavy.

Fiovana misongadina ny fahitana an-dRandriata­hiana Sa­robidy, mpilalaon’ny GN­BC, ao anaty lisitra. Raha ny fanazavana, misolo an’i Chi­ne i Sarobidy. Tsy afaka miatrika ity fifaninanana ity mantsy i Chine, noho ny fanohizany ny fianarany ho Zandary any Ambositra. Ankoatra izay, tsy misy fiovana fa i Muriel, i Sydonie ary i Christiane ihany no manampy an’i Sa­robidy, eo amin’ny sokajy ve­hivavy. Ra­ko­tomalala Mathieu kosa no mpanazatran’izy ireo. Eo amin’ ny sokajy lehilahy kosa, ireo mpilalao niatrika ny lalao na­tao tany Chine farany teo iha­ny no tazana ao anaty lisitra.

Ahitana an’i Arnol, i Livio, i Rick-Ley ary i Elly. Ran­dri­a­narivelo Jean de Dieu na i Deda kosa ny mpanazatran’izy ireo, izay efa niaraka tamin’ny ekipa malagasy nandritra ny “World Cup” farany teo.

Mi.Raz

Partager sur: