Manohy ny dia amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby, ny TAM Anosibe rehefa nandresy ny Mang’Arts Manjakaray. Tafita ihany koa ny TFA Anatihazo sy ny USA Ankadifotsy.
Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny lalao sakana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra ny fihaonana teo amin’ny TAM Anosibe sy ny Mang’ Arts Manjakaray. Tsy mbola afaka nanoloana an-dry zareo TAM indray ny Manjakaray.
Nisaraka tamin’ny isa mazava 37 no ho 17, ny roa tonta. Ny Mang’Arts anefa no nanokatra ny isa voalohany, teo amin’ ny minitra faha-12, tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanana nataon’i Andoniaina. Voatsara izany rehefa nodakan’i Tahina. Nitarika 7 no ho 0 ry zareo saingy tsy ela ny valin-kafatra fa nahatsindry baolina ihany koa ny TAM saingy tsy voatsara ka 7 no ho 5. Nanjakan’Anosibe amin’izay ny fihaonana taorian’izay. Nisesy ny “hors-jeu” matin-dry zalahy, ka nahalasa ny isany ho 14. Tsy nahafaty afa-tsy “coup de pied de penalité” iray monja ny Manjakaray. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 14 no ho 10 io.
Fidirana faharoa, nanohy nanindry ny TAM ka namono “hors-jeu” iray, lasa 17. Tsy nijanona izany fa mbola niampy baolina nentin-tanana ihany koa. Efa nitarika 27 ry zalahy vao nahatonga “essaie” voatsaraa indray ny Mang’Arts ka 27 no ho 17 ny isa. Samy nilalao 14 ny roa tonta taorian’io, noho ny karatra mena azon’i Toky ho an’ny TAM sy i Thierry an’ny Mang’Arts. Tsy voatohitry ny Manjakaray intsony ny fanafihan’ny TAM, taorian’io ka nisesy ny baolina nentin-tanana.
Tafakatra koa ny TFA rehefa nanilika ny UASC Cheminots, 27 no ho 24. Torak’izany koa, Ankadifotsy nandavo ny FTBA, 27 no ho 22, ary ny TFMA nanamontsana ny Savony, tamin’ny isa 22 no ho 3.
Tompondaka