Nifarana omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia, ny fifaninanana baolina kitra, “Orange challenge U17”. Norombahan’ny klioban’ny AS Jet Mada ny amboaran’ity fifaninanana ity, rehefa nandavo ny AS Etoile Filante, tamin’ny fandakana “tirs au but”, 4 no ho 3 izy ireo. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta nandritra ny fe-potoana ara-dalàna.
Raha hiverenana ny fihaonana, ny ekipan’ny AS Jet Mada no nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Niezaka nanenjika isa ny AS Etoile Filante tamin’ny fidirana faharoa, ka lasa 1 no ho 1 ny isa teny amin’ny solaitrabe.
Ankoatra izay, norombahan’ny Kintana Academy ny amboaran’ny “Orange Final Cup U17”, rehefa nandavo ny Uscafoot tamin’ny isa 2 no ho 0. Tamin’ity lalao izay nokarakarain’ny Orange ity, nisy ny fihaonana teo amin’ireo kilonga kely U9 sy U11. Anisan’ireo klioba nandray anjara tamin’izany, ny 67 City FC, ny Ajesaia Ivato, ny AS Jet Mada, ny H Plus. Anisan’ireo manohana ity fifanintsanana ho an’ny tanora ity ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Ity farany izay miezaka mampivelatra ny tanora sy ny fanatanjahantena eto an-drenivohitra. Araka ny vaovao voaray, ity no andiany fahatelon’ity fifanintsanana ity.
Tsara ny mampahafantatra fa efa maro ny fifaninanana nokarakarain’ny CUA, tamin’ity taona 2023 ity. Anisan’izany ny Kitram-pokontany, izay nandraisan’ny ekipa teny anivon’ireo boriborintany enina.
Fitia Randria