Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy manaiky korontana intsony ny vahoaka”

Naneho ny heviny avy hatrany, taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika ny sabotsy teo, ny kandidà Andry Rajoelina. Nambarany fa manam-pahendrena ny vahoaka.

“Ankehitriny, tsapa fa manana fahendrena ny vahoaka malagasy, indrindra tsy manaiky ko­rontana na korontanina intsony”, hoy ny kandidà lah. 3, Andry Rajoelina, taorian’ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika teny Ala­robia, afakomaly. Miandry amim-pitoniana ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC ny rehetra. Mila miara-mientana ny rehetra, tsy tokony hisy ny fanilikilihana sy fanavakavahana. Ho filohan’ ny vahoaka malagasy iray manontolo izy, hampandroso an’i Madaga­sikara sy hampitambatra ny Malagasy. Raha zavatra ratsy no novoizin’ny sasany teto amin’ny firenena, hita ny fitoniana sy ny filaminana. Tsy nisy ny naratra na korontana tao anatin’ny fifidianana. “Izay no isaorako ny vahoaka malagasy iray ma­nontolo, na ireo nifidy na ireo tsy nifidy ahy: naneho ny heviny sy ny safidiny amin’izay hit­an­tana indray ny firenena mandritra ny dimy taona ma­naraka”, hoy izy.

Fanohizana ny asa natao ho an’ny vahoaka
Hita tamin’ny fampielezan-kevitra fa maniry ny hitohizan’ ny asa natao ny vahoaka. Mbola betsaka ny ezaka tokony hatao handresena tanteraka ny fahantrana eto Mada­ga­si­kara, ahazoana manakaiky kokoa ny vahoaka, hitondra fampandrosoana andrandrain’ny vahoaka efa taona maro. Nampiavaka ny fifidianana teto Madagasikara: tsy nisy ny naratra. Matetika rehefa misy ny fifandirana politika, hita any amin’ny firenen-kafa: alohan’ ny fahazoana voka-pifidianana, misy ny fifandonana amin’ireo mpanohana kandidà, misy korontana, maratra…

R. Nd.

Partager sur: