Efa ao anatin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny eo anivon’ny HCC amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’ izany koa ny fandraisana ireo fitarainana na fitoriana.
Ny tsy fanarahan-dalàna hita nandritra ny fifidianana no fitoriana voarain’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny, Ranesa Firiana, teny Ambohidahy, omaly. Efa mandeha ny fifanolanana momba ny voka-pifidianana, izay nifarana halina tamin’ny 12 ora. Misy koa ny fampitahana ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni sy ny fitanana an-tsoratra (PV) any amin’ny kandidà, izay ampitahaina amin’ny PV voarain’ny HCC. “Efa nanomboka ny asany ny HCC taorian’ny androm-pifidianana tamin’ny 16 novambra ka hatramin’ izao”, hoy izy.
Afa-mitory
Tsy miankina amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni ny HCC, fa mamerina manao ny fikirakirana rehetra ary mandrakitra izany amin’ny ordinatera ireo voka-pifidianana rehetra amin’ny alalan’ny antontan-taratasy natokana ho an’ny HCC. Efa feno izany ny avy amin’ny distrika 119 amin’izao. Antenaina fa ho vonona ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy ao anatin’ny fe-potoana voalazan’ny lalàna: sivy andro farafahelany, amin’ ny 4 desambra, aorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika.
Araka ny And. 202 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana ankapobeny sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, afa-mitory avokoa ny olom-pirenena nandray anjara tamin’ny fifidianana. Voalaza amin’izany koa ireo kandidà, ny solontenan’ny kandidà, ny mpanara-maso fifidianana nahazo fankatoavan’ny Ceni.
R. Nd.




